Hiara-kiasa amin’ny fampandrosoana ny renivohitr’i Madagasikara ny Faritra Analamanga sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra
. Nivoitra io nandritra ny lanonana fanombohana ny fankalazana ny tsingerintaona faha-30 nijoroan’ny biraon’ny Boriborintany Voalohany, natao omaly 14 jona tao amin’ny foiben-toerany tetsy Soarano. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana. Nanome voninahitra ny fotoana ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena Maître Razafimanantsoa Hanitra, ny Lehiben’ny Faritra Analamanga Rakotonanahary Ndranto, ny Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo I, ny Delegen’ny Boriborintany Voalohany, Razafimbelo Arinosy Jacques.
Fanambin’ny Boriborintany Voalohany, ary mampiavaka azy ny famitana eo no ho eo ny kopian’ny sora-piankohonana, ny antsoina hoe : «légalisation» sy ny «certification», na ny fanamarinana ireo taratasy samihafa. Mahatratra 285 ny mpiasa ao amin’ity Boriborintany ity ka ny 185 amin’ireo no mpanadio tanàna.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.