Boriborintany II

> Hifampitana ny CT taloha sy ny am-perinasa


  • Talata 24 Septambra 2013

Hafana ny hazakazaka hiadiana ny toerana roa eny Tsimbazaza anjaran’ny Boriboritany II eto Antananarivo amin’ny fifidianana depiote. Maro ny kandida, ary samy manana ny maha izy azy avokoa.

Anisan’ireo kandidà nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany tao amin’ny OVEC teny Andohanimandroseza omaly alatsinainy ny CT teo aloha Andry Andrianjavony. Niavaka ny fahatongavany teny an-toerana tamin’ny alalan’ny filaharambe niarahany tamin’ny fikambanana “IRAY AINA” tarihany izay tena niray fo taminy tokoa. Tsy politika avo lenta no iainana, hoy izy, fa politikan’ny firaisankina sy fifanakalozana eny anivon’ny fiarahamonina. Ny hampanjary lalàna ny fanafoanana ny zava-dratsy sy ny fampandrosoana ny firenena no anton’izao fandraisany anjara izao, hoy izy. Fa fampidirana mpanakanto fanta-daza ao anaty lisitry ny kandidà hofidiana kosa no paikady entin’ny TGV handresen-dahatra ny mpifidy rehefa tsy mahavita nandeha irery izy amin’ny fifidianana solombavambahoaka, fa anatin’ny vovonana miara-dia amin’i Andry Rajoelina. Iray amin’izay ny fiarahan’i Jaojoby mpanjakan’ny salegy sy Rtoa Lanto Rakotomanga filohan’ny vaomieran’ny miralenta ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita. “Ny soa sy mahafinaritra no atambatra, izay no antony nanekena ny hiarahana amin’ity kandidà ity, ny tena rahateo naman’ny filohan’ny tetezamita”, hoy i Jaojoby. Hifaninana amin’izy ireo koa Atoa Randrianarisoa Stanislas kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana. Nambaran’ity farany fa tsirin-kevitra efa ela no tato anatiny ny hanasoa ny mpiara-belona noho ny fanambinana nomen’Andriamanitra ny tenany raha mahita ny manjo ny vahoaka eny amin’iny Boriborintany faharoa iny.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT