Actualités

Boriborintany faha-III Antaninandro Niahaka ireo mpanao taratasy fa lasa tany amin’ny “7 février” ny mpiasa


  • Zoma 08 Febroary 2013

Niahaka ara-bakiteny ireo olona marobe nampanao taratasy, kopiam-pahaterahana indrindra indrindra, tao amin’ny biraon’ny Boriborintany faha-III Antaninandro eto Antananarivo Renivohitra omaly alakamisy 7 febroary tontolo andro.

 Tsy nisy fampilazana mialoha, fa taratasy kely iray teo am-baravarana no hitan’ireo tonga teo milaza fa “tsy miasa anio alakamisy (omaly)” ny eto fa “tatezana” ho an-dry zareo ny andro fa voaantso hanatrika ny lanonana teny Ambohitsorohitra avokoa ny mpiasa rehetra. Nimenomenona tsy nisy toy izany ireo olona efa nahazo «rendez-vous» ka nitondra ilay taratasy kely misy nomerao hangalana ny zavatra nampanamboarina mialoha avokoa ny ankamaroany. Tamin’ny fiandohan’ny tolakandro nandalovana teny an-toerana dia ilay mpiambina nijoro teo amin’ny varavarambe fidirana no namatraran’ireto vahoaka niandry vasoka ny rahom-bava, esoeso, hatezerana sns…  

Farany notarihany niditra tao anaty trano ny mpanao gazety sy olona telo solontenan’ireo vahoaka ka nijery ny zava-misy tao ary nahita mpiasa telo mirahavavy tao amin’ny efitra faha-4. Nilaza ireto farany fa noho ny fahatsapan’izy ireo fa tena ilain’ny mpianatra hanao fanadinana ny kopia ataon-dry zareo dia nanapa-kevitra ny hijanona hiasa izy ireo fa tsy nandeha tany amin’ny “7 février”. Ny antoandro tamin’ny 11 ora izahay no namoaka ireo asa vitanay tamin’ny tompony, hoy izy ireo, dia izay fa ny kopia lava tsy eto aminay fa any ambony ka tsy hitanay izay hatao aminareo. Nanalava-molotra niala ny toerana ny reheta taorian’izay ary niara-niredona fa hiaraka hiverina ao amin’ity toerana ity avokoa anio zoma vao mangiran-dratsy. Fanontaniana niverimberina tetsy Antaninandro omaly ny hoe : mpikambana ao amin’ny AV7 avokoa ve ny «mpiasan’ny 3è» iray manontolo sa lasa COM-TGV avokoa indray ? Ny azo antoka aloha dia nety ny tantana matoa tsy nisy niverina niasa intsony ny rehetra na dia tapitra alohaloha ihany aza ny fety teny Ambohitsorohitra.

Ntsoavina Evariste
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT