Lehilahy lehibe 62 taona no tratra nanolana zaza 09 taona tany Bongolava ny 22 oktobra lasa teo. Taitra ny renim-pianakaviana iray rehefa nahare ny tarainan’ny zanany fa maharary azy ny fivaviany.
Noentiny avy hatrany teny amin’ny tobim-pahasalamana ilay tsy manan-tsiny ka rehefa natao ny fitsirihana dia fantatra fa nisy nanararaotra ara-nofo ity zazavavy kely vao 09 taona monja ity. Taorian’izay dia nametraka fitoriana teny amin’ny Polisy miasa any an-toerana ny reniny. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa ny raiben’io zaza io ihany no nanolana azy. Nohamarinin’io zazakely ihany koa izany rehefa nanaovana fanadihadiany izy. Hatolotra ny fampanoavana anio ity Raibe nahavanon-doza ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.