Taorian’ny fanambarana ny “tokony” hampiharana ny lalàna amin’ireo tambajotra mpanao trafikana bolabola sy fivorian’ireo mpanolotsaina manokan’i Andry Rajoelina tao Toamasina ny sabotsy 16 jolay teo narahin’ny fandinihana ny pitsopitson-dalàna sy ny fomba hatao amin’ny fakan’ny FAT ireo andramena eny amin’ireo mpanao hazo sy mpandraharaha samy hafa izay mbola tao Toamasina ihany, dia nanomboka ny alahady dia efa nidina nanadihady ireo bolabola nogiazan’ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny ala noho ny fandikan-dalàna nanomboka ny taona 2009 no ho mankaty, ny ekipan’ny prezidansa notarihan’ny minisitry serasera Rahajason Harry Laurent amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy.
Raha ny fidinana ifotony nataon’izy ireo ny alahady teo, izay natrehan’ny Atoa Boda Richard talen’ny tontolo iainana sy ny ala Toamasina ihany koa, dia ny bolabola miisa 174 tsy fanta-tompo giazana eo anivon’ny Jenia miaramila hatramin’ny 21 novambra 2009, sy ilay bolabola 112 mihidy anaty kaontenera ao Mangarano II, an’ingahy Renaud na “Nono” no nojerem-potsiny aloha. Raha ny tatitra dia mahatratra 3.187 ny bolabola nogiazana. Avy any Vohemar, Mahavelona Foulpointe, Brickaville, Soanierana Ivongo,
Amin’izy ireo dia misy ny antsoina hoe “andramena” izay manana kalitao voajanahary, ao kosa ireo antsoina hoe “sovodrano” izay maka endrika andramena ihany fa ny kalitao sy ny maha zavaboary azy no tsy itoviany, ny endriny kosa dia sahala, indrindra raha avy milona rano ity antsoina hoe “Sovodrano” ity. Amin’ireo bolabola 3.187 ireo dia sovodrano avokoa ny 367, ka ity karazany ity no entin’ireo mpanao trafika mamitaka ny mpividy azy any ampitan-dranomasina, indrindra fa ny Sinoa. Ankoatra izay, ny 03 martsa 2011 teo no nahatratra andramena farany ny tao Toamasina izay miisa 197, hita tao anaty magazay tao Salazamay.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.