Actualités

Boky sy CD hosoka An’aliny no nodorana teny Ambohitrimanjaka omaly


  • Talata 07 Septambra 2021

Notontosaina omaly maraina teny Ambohitrimanjaka ny fandorana ireo boky hosoka 105 ka ny 80 boky malagasy ary ny 25 boky vahiny. Niampy ireo CD hosoka miisa 54.650 izany.

 Nitarika sy nisolo tena ny mpandrindra ny borigady misahana ny ady amin’ny hosoka na ny BAP eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Chef des Opérations, Lieutenant Randrianandrasana Manitra, niaraka tamin’ireo solotenan’ny mpanakanto samihafa, ny solotenan’ny mpanonta boky, ny vadintany ary ireo mpamokatra. Manohy hatrany ny ezaka hatao, entina hamongorana ny fanaovana hosoka ny asan’ny mpanokatra malagasy ny eo anivon’ny BAP. Nanomboka tamin’ny volana aprily hatramin’ny aogositra lasa teo, manodidina ny 47 no efa nosamborina, niaraka tamin’ny CD hosoka nataony sy ireo fitaovana entina mamokatra izany. Tsy hianona fotsiny ihany amin’ny fanenjehana ny CD hosoka ny BAP manomboka izao, fa hijery manokana ihany koa ireo mpanonta boky hosoka, izay misy fiantraikany lehibe any amin’ireo matihanina misehatra amin’izany.Nampatsiahy ny Chef des Opérations ao amin’ny BAP fa henjehin’ny lalàna ny fanaovana piraty ny asan’ireo mpisehatra tsy ankanavaka rehetra. Hanohy hatrany kosa ny hetsika fidinana ifotony tampoka izy ireo hamongorana izany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT