Actualités

Boky “Dinik’asa ho an’ny taranaka” Ho ampahafantarin’ny CEDS ny zoma izao


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Ho ampahafantarina ny zoma 26 aogositra izao eny Androhibe ny fivoahana sy mombamomba ny boky mitondra ny lohateny hoe “Dinik’asa ho an’ny taranaka”.

Izy io, raha ny fanazavana, dia vinavina mikasika ny hoavin’i Madagasikara rahampitso, raha izay moa izany no azo handikana azy tsotsotra. Ny andiany faha 18 niofana teo anivon’ny CEDS na “Centre d’étude de développement stratégique” izay misalotra ny anarana hoe « General Richard Ratsimandrava » moa no tompo-marika tamin’izy ity ary izy ireo rahateo ihany koa no nandray anjara tamin’ny fanoratana sy ireo fandinihana namenoana izany. Fotoana izao hihetsehana manoloana ny zava-misy, hoy ny savaranonandon’ny boky, ary isan’ny hetsika na “action” ny fanoratana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT