Actualités

“Bois de rose” tratra tany Maorisy Iza no hamoaka ny anaran’ny tompony mialoha ?


  • Alarobia 06 Jolay 2011


 Nanao tatitra tamin’ny mpanao gazety mikasika ny diany tany amin’ny Nosy Maorisy ny herinandro lasa teo ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala, Herilanto Raveloarison omaly teny amin’ny birao fiasany teny Antsahavola. Tamin’izany no nilazany fa nanaiky ny ladoany maorisianina fa hiara-miasa ka hamerina eto Madagasikara ireo andramena enina kaontenera tratra tany aminy. Nambarany fa rehefa vita ny fikarakarana rehetra sy ny antontan-taratasy hamerenana ireo andramena ireo dia hiaraka hivoaka amin’ireo ny anaran’ireo olona voarohirohy amin’izany. Ireo mpiasan’ny ladoany mitokona amin’izao fotoana ihany koa anefa milaza fa manana anarana mifandrohy amin’ireo “bois de rose” tratra tao Maorisy ireo. Koa iza ary no hamoaka mialoha ny anaran’ny tompon’ireo andramena ireo ?

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT