Nihetsika ary nivoaka tamin’ny fahanginany ihany ny mpanao asa tanana manoloana ny tsy fahafahan’izy ireo mampiasa ny hazo sarobidy mba hanaovana taozavatra.
Nanao fihetsehana, araka izany, ireo mpanao asa tanana ao Ambositra izay renivohitry ny sary sokitra tamin’ny alalan’ny fitokonana. Mafy ny faneren’izy ireo ary nanaitra ny tompon’andraikitry ny ministera ny hetsika, hany ka nisy ny solontena nalefa mivantana mba hifampiraharaha amin’ireo olona mivelona amin’ny fanaovana sary sokitra, asa izay mamelona ny Zafimaniry sy ny tontolon’ny asa tanana rahateo. Fantatra ary fa afaka mikitika amin’izay ireo hazo sarobidy izay nogiazana ka natao «stock» ireo mpanao asa tanana ireo manomboka izao.
Amidy amin’izy ireo ny hazo. Rariny loatra raha nihetsika ireo olona ireo satria maty tanteraka ny fidiram-bolany. Ny tena mampalahelo anefa rehefa misy ny foara lehibe any ivelany any dia ny mpampiranty sinoa ary koa ireo afrikanina indray no mivarotra ireo sokitra vita amin’ny hazo sarobidy, amin’izay indray amin’ny vidiny lafo dia lafo. Lasa mionona amin’ny varotra asa tanana madinika izay tsy dia misy vidiny firy sisa ireo Gasy. Ny
r.d
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.