Nifanakalo hevitra sy nifampita ary nifampanontany vaovao marina mikasika ny resaka “bois de rose” malaza eto Madagasikara amin’izao fotoana izao tamin’ny alalan’ny “visio-conférence” tetsy amin’ny Centre de Presse Antsakaviro omaly ny mpanao gazety Malagasy sy Maorisianina maromaro.
Ny mahakasika an’ireo kaontenera 6 feno andramena mbola voatazona atsy amin’ny Nosy Maorisy no fototra niaingan’ny resaka. Teny am-piandohana anefa dia nanamarika ny mpanao gazety maorisianina fa niadian-kevitra niaraka tamin’ny Praiminisitra maorisianina tao amin’ny Antenimieran-dry zareo omaly nialoha ity resadresaky ny mpanao gazety ity resaka “rois de rose” ity. Ny valim-panontaniana nomen’ireo namany Maorisianina mahakasika an’ireo kaontenera ireo dia mazava fa mbola ao ireo hatramin’izao.
Tonga tao amin’ny seranantsambon’i Port Louis ara-dalàna ireo, hoy ny fanamarihana ka raha hoe haverina aty Madagasikara izany fa tsy ara-dalàna ny mikasika azy dia iza no hiantoka ny saran’izany indray ? Ahoana ny saram-pitazonana azy ireo ? Nisy mpanao gazety maorisianina iray nahitsihitsy fitenenanana izay tena mahafantatra tsara an’i Madagasikara ary mahay teny gasy kely fa tsy misy trafikana “bois de rose” izany eo amin’i Madagasikara sy Maorisy fa ny trafika eo amin’ny Madagasikara sy Chine na Taiwan no misy. Manaova fanadihadiana ianareo namana ao Madagasikara, hoy izy, manatona ny fampanoavana fa ho hitanareo ao ny antontan-taratasy mahatafiditra ny mpitondra FAT (HAT) amin’ity resaka ity ary tafiditra amin’izany ny mpitondra mpanongam-panjakana ao aminareo. Ny Bianco izay heveriko fa tsy tena mahaleotena tanteraka no nampiditra ity raharaha ity ao, hoy izy.
Tsy dia mahalala loatra ary tsy te halala ity resaka “bois de rose” ity izahay aty, hoy izy. Nampisendaotra mpanao gazety Malagasy vitsivitsy tetsy Antsakaviro ihany izany resaka nataon’ity namana Maorisianina ity izany ka nilazana taminy fa tsy zony ny manao fanambarana mahitsihitsy amin’ny rafi-pitondrana Malagasy tahaka izany. Nisy Maorisianina iray moa nanitsy avy eo fa manga dia manga ny fifandraisan’ny Maorisianina sy Malagasy ankehitriny. Raha ny marina, tena maharaka tsara ny zava-misy eto Madagasikara ireo namana mpanao gazety atsy amin’ity Nosy rahavavy ity. Dia ny fanontaniana nifanaovan’ny sasantsasany tamin’ny mpanao gazety Malagasy etsy Antsakaviro dia ny hoe : inona tokoa ny zavatra hitranga raha vonona ny hanatona ny eny anivon’ny fampanoavana hanontany ny vaovao mikasika ity andramena ity ny mpanao gazety Malagasy ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.