Actualités

«Bois de rose» Nisy 12 kaontenera niainga tao Vohémar omaly


  • Alatsinainy 09 Mey 2011

Tsy tana ny fandripahana bolabola na “bois de rose” amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy iny, na eo aza ny fepetra, didy aman-dalŕna, sy fanambarana etsy sy eroa ataon’ny mpitondra FAT.

 Omaly alahady 08 mey izao dia fantatra fa dia kaontenera “20 pieds” voasesika bolabola miisa 12 indray no niainga tao amin’ny seranan-tsambon’i Vohémar, Faritra SAVA. “Le Kiara”, sambo an’ny kaompania frantsay, mpanao fitaterana an-dranomasina, no nitondrana ireo kaontenera ireo, hiondrana any Chine, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Ny sabotsy 07 mey no niantsona tao amin’ny seranana ilay sambo ary omaly tamin’ny sivy ora maraina no niainga. Tsy vao sambany io. Tsiahivina etoana ny zava-nitranga tamin’ny tapaky ny volana martsa 2010, izay nisiana kaontenera niisa 273 feno bolabola niainga tao Vohémar, nentin’io sambo io ihany.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT