Actualités

«Bois de rose» Miliara maromaro nentina tamin’ny ambulance ?


  • Alarobia 14 Septambra 2011

Nalaina tamin’ny banky iray teto an-drenivohitra ny vola izay mitentina 2 miliara ariary. Nentina tamin’ny ambulance ary tsy hita izay nametrahana azy avy eo.

 Nisongadina izany nandritra ireny fotoana nafana tamin’ny fanondranana andramena na “bois de rose” ireny. Mazava ho azy fa vola vidin’ny andramena ity nalaina an-tsokosoko ity. Iray volana lasa teo izay no nitrangan’ity karazana halatra ity teto an-drenivohitra. Fantapantatra ihany koa ny tompon’andraikitra amin’izany saingy efa tsy eto an-toerana intsony izy amin’izao fotoana.

Efa nahoraka be rahateo ny anarany tamin’ireny fotoana nivoahan’ny «avis de recherche» ireny. Tsy tao anaty lisitra velively anefa izy fa olon-kafa indray no nipoitra teo. Nampametra-panontaniana ny antony tsy nanadihadiana sy nisamborana azy. Na ny fivoahany teto amin’ny Nosy aza dia toa tsy nisy olana firy akory. Ny tsy fiverenany hatramin’izao anefa dia toa efa midika zavatra maro. Voarohirohy izy tamin’ny fanondranana tao Maorisy, mbola voatonona ihany koa tamin’ny resaka «cocaïne». Izy rahateo dia endrika tsy zoviana amin’ny maro. Rariny ihany raha nivoaka tamin’ny fahanginany ny havan’ireo olona izay namoahana «avis de recherche» tamin’ireny resaka fanondranana hazo sarobidy ireny. Toa mitongilana mantsy ny fanadihadiana ary ny anaran’izy ireo no toa nentina nanakonana ny «trondrobe» izay tena mihinana ny volabe...

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT