Bois de rose

> Nokianin’i Beriziky Omer ny zandary sy fitsarana


  • Talata 13 Aogositra 2013

Miverina malaza indray ny resaka “bois de rose” hatramin’ny nisian’ny fikasan’ny fitondram-panjakana hamoaka didy hitsivolana mivarotra ireo tahiry. Samy nanameloka io fikasana io na ny “Comité de pilotage” na ny AIFM farany teo.

Omaly dia nandon-databatra koa ny Praiminisitra izay lehiben’ny “Comité de pilotage” rahateo koa. Niaiky ny tenany fa tsy mahomby ny ezaka atao hanafoanana ity resaka ity satria mbola mitohy hatramin’izao ny fivezivezen’ny sambo mitatitra “bois de rose” amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy. Ankoatra izay dia miriaria avokoa ireo tena tomponantoka amin’ny afera. Amin’ny lehiben’ny governemanta dia tomponantoka ny fitsarana sy zandary. “Ireo madinika ihany no tratra sy ampidirina am-ponja fa ireo ngezalahy mpivarotra sy mpanondrana kosa tsy misy mpikitika. 2 hatramin’ny 3 herinandro ihany aza dia efa tafavoaka ireo tazonina am-ponja”, hoy i Beriziky Omer.

Nokianiny koa ny zandary izay tsy manao ny asany ara-dalàna. “Tsy lasa lavitra ny fanadihadiana ary misy amin’ireo mpitandro ny filaminana koa no milaza fa asaina mandoa vola ry zareo raha vao miditra lalina amin’ity raharaha ity”. Namaky bantsilana ny fisian’ny mpitondra amin’ny fitrandrahana sy fanondranana “bois de rose” koa ny tenany. Eo anatrehan’ireo dia nanamafy ny praiminisitra fa tokony hanatanteraka ny adidy apetraky ny vahoaka aminy ny zandary amin’ny fiarovana ny harem-pirenena. Raha resa-bola no olana tsy hanaovanareo ny asanareo, hoy hatrany izy amin’ireto mpitandro filaminana ireo dia ataovy amin’ny anaran’ny Ministeran’ny tontolo iainana izany. Nampirisika ny fanamboarana dosie fanenjehena ireo lavatanana koa ny lehiben’ny praiminisitra izay nilaza fa raha tsy voaenjika amin’izao ireny olona ireny dia tsy maintsy ho tratran’ny fitsarana foana ao aoriana.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT