Misy indray ny fikasan’ny FAT hivarotra ireo andramena efa voaisa, araka ny feo mandeha. Manohitra io fanapahan-kevitra io ny komity manokana misahana ity raharaha ity izay tarihan’ny fiadidiana ny praiminisitra ahitana koa ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombonantoka vahiny ary ny fiarahamonim-pirenena (AVG).
Marihina fa ny didim-panjakana 2010 - 141 dia mandrara ny fanapahana, fitrandrahana, ny fanondranana ny andramena sy “bois d’ébène”. Milaza ny sazy amin’ny fitrandrahana azy kosa ny didy hitsivolana 2011 -001. Hatramin’izao anefa dia toa mijanona ho lalàna fotsiny ireo fa tsy misy mihatra mihitsy ka takian’ny AVG ny fampiharana azy. Araka ny nambaran’i Andry Andriamanga, mpandrindra ny AVG dia tokony hampiasa ny fahefana eo am-pelatanany ny fanjakana amin’ny fanasaziana ireo mpanao ity afera ity. Marihina fa tsy voarara akory ny famarotana ny andramena fa misy fepetra maro mila arahana satria efa voasokajy ho zavaboary ahiana ho lany tamingana izy miaraka amin’ny “bois d’ébène”. Anisan’izany ny fanisana ireo tahiry arahan’ny fanaikana tolobidy iraisam-pirenena rehefa hivarotra azy ary ny fitsinjarana ny vola azo amin’ny vidiny. Mihevitra ny AVG fa tokony haompana amin’ny kaonty fikajiana sy fiarovana ny ala ary hanaovana asa ho an’ny vondron’olona mipetraka amin’ny faritra misy ny fitrandrahana ny atsasamanilan’ny vidiny.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.