«Bois de rose»

> Hamidy fa tsy ho an’ny miaramila ny vola


  • Zoma 04 Oktobra 2013

Azo ambara ho nahita marimaritra iraisana ny filohan’ny Tetezamita sy ny komity manokana momba ny famarotana ireo tahirina andramena.

Nankatoavin’ny roa tonta ny fivarotana ireo andramena voajegan’ny fanjakana ka tazonina any amin’ny mpitandro ny filaminana ary ireo ihany. Tsy voakasika kosa ireo andramena tsy ara-dalàna tazonina na afenin’ny mpandraharaha tompony any aminy. Io teboka iray io ihany no nifaneken’ny an-daniny sy an-kilany nandritra ny fihaonana teo amin’i Andry Rajoelina sy ny Alliance Voahary Gasy, ny WWF ary ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny alarobia lasa teo. Mbola maro mantsy ny fepetra tsy maintsy arahana vao azo tanterahana ilay famarotana ireo tahiry. Tsy maintsy mandefa taratasy fangatahana mivarotra any amin’ny Sekreteran’ny CITES aloha isika satria hazo arovana ny andramena sahala amin’ny “bois d’ébène” ihany koa noho izy ireo tandindomin’ny faharinganana”. Mialoha izay dia hisy ny fanisana sy fanasiana marika ireo andramena voageja ary milamina koa ny fitsinjarana ny vola azo amin’ny vidiny. Vita ireo dia mbola hisy koa ny fisafidianana ny orinasa matihanina amin’ny varotra hisahana ny famarotana ireo hazo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Raha ny habetsaky ny asa hatao dia tsy ho tratra ny fikasan’i Andry Rajoelina hamarotana ireo andramena voajega, hisahanana ny fandriampahalemana mandritra ny fifidianana. Niaiky rahateo Atoa Gianni Ruta, solotenan’ny Banky Iraisam-pirenena fa mila fe-potoana lavalava ny fanomanana ny dingana ara-barotra amin’ity resaka ity. Ankoatra izay dia nilaza koa ny komity manokana fa hanaovana asa fampandrosoana ny ampahan’ny betsaka amin’ny vola vidin’ireo hazo rehefa lafo raha miditra amin’ny kitapombolam-panjakana ny sasany. Na dia tsy nambara mivantana aza araka izany dia mazava fa tsy hisy ny zara vola ho an’ny mpitandro ny filaminana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT