Actualités

Boaderozy 6 kaontenera indray no tratra


  • Zoma 05 Aprily 2013

Ankoatra ny asa fanadiovana anatin’ny Zandarimariam-pirenena dia tsy mikely soroka ihany koa ny jeneraly Richard Ravalomanana, komandin’ny zandarimariam-pirenena, amin’ny ady amin’ireo fanetriben’ny firenena manao trafikana «Bois de rose » ka misikimponitra tokoa amin’ny famongorana izany.

 Fantatra ary izao, araka ny fampitam-baovaon’ity Zandarimariam-pirenena ity, fa nanao fisafoana sy fitsirihana ny tao amin’ny seranantsambon’Antsiranana omaly alakamisy 4 aprily 2013 ny Zandarimariam-pirenena ao an-toerana notarihin’ny komandin’ny Faripiadidiana, ny kolonely Randriamanarina Christophe, ka nahatratra tao anatin’ny sambo UAFL-ZANZIBAR kaontenera 6 feno bolabola na andramena. Tonga nanao ny fitsirihana avy hatrany teny an-toerana koa ny Lehiben’ny fampanoavana any Antsiranana niaraka tamin’ny zandarimariam-pirenena nitondra ny « mandat de perquisition ». Efa nogiazana moa amin’izao fotoana izao io sambo io ary eo am-panaovana ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra any an-toerana.

 

Tolagnaro koa

Fa tany Taolagnaro koa ankoatra izay ( tao Andengo tokony ho 1km avy eo ambinanin’i Marorosy, ao amin’ny kaominina Soavary, Distrikan’i Taolagnaro), dia tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena any amin’ny Faritra Anosy notarihin’ny Lietnà-kolonely Rafidison Honoré  komandin’ny « Groupement ZP », mbola omaly 4 aprily 2013 ihany koa, ny andramena  miisa 1.300. Efa mandray andraikitra amin’ny figiazana ireo andramena ireo koa ny zandarimariam-pirenena  ary manao ny famotorana mahakasika izany ankehitriny. Mibaribary izao fa tena mbola mitohy foana ny trafikana boaderozy eto amintsika ary misafidy ireo toerana lavitra sy takotakona ny mpanao izany, fa tsy mijanona any amin’ireo faritra nahazatra teo aloha intsony. Hatreto aloha dia alefa aondrana any Sina ny 95%-n’ny boaderozin’i Madagasikara, ary araka ny fantatra dia misy tsena goavambe natokana ho amin’izany fotsiny any an-toerana. Tsapa ihany koa fa malemy manoloana izao trafika izao ilay vaomiera manokana eo anivon’ny CST tarihan’i Henri Lecacheur, tokony hanadihady ny tena marina momba ity afera maizina ity

 

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT