Nisy nanafika ny volan’ny banky BOA Bd Augagneur Toamasina omaly alatsinainy tolakandro.
Vola saika haterina tao amin’ny Banky foibe ao Toamasina ity nisy nanafika ity. Lasa tamin’izany ny vola mitentina 380.000.000 Ar tao anatin’ireo gony telo nisy azy, izay efa vonona tao anaty fiara 4x4 Nissan an’ny banky BAO ihany. Efatra ireto jiolahy ireo izay tsy nisaron-tava akory na ny iray aza, ka nitondra moto scooter roa ary niaraka tamina sakosy nisy basy, kalaky roa sy PA roa ihany koa. Teo koa ny fanafody gasy nampiasaina izay tao anaty sakosy iray hafa. Raha ny filazan’ny mpitandro ny filaminana izay manao fiambenana ny banky, saingy ny eny anoloan’ny banky fa tsy ny faritra namoahana ny vola nisy nanafika ity, dia teo am-pidirana ny fiara raha nantsoina hanara-dia ireto vola be ny tenany, no nisy nanambana tamin’ny basy kalaky iray sy PA iray, izay nahatonga azy tsy afa-nihetsika ary nakan’ireo jiolahy ny basy PA teny aminy.
Nandritra izay no nisy tifitra fanairana fanapoahana basy kalaky in-telo. Niantefa teny amin’ny varavaran’ny banky ny roa. Ilay fiara 4x4 an’ny banky ihany no nitondran’ireo jiolahy ny vola rehefa nasain’izy ireo nidina ny mpamily sy ilay polisy ary ireo mpiasan’ny banky mpanara-dia ny vola. Nentin’izy ireo nanara-dia azy kosa ilay mpiambina sivily, karamain’ny banky. Najanon-dry zalahy teo amin’ny banky ireo scooter roa nampiasain’izy ireo. Ny polisin’ny FIP Valpinson, notarihan’ny komandà Jules, no tonga mialoha teo amin’ny banky taorian’ny fanafihana. Izy ireo no nanara-dia ilay fiara nisy nitondra nitsoaka niaraka tamina vola, ka araka ny vaovao azo dia efa teny amin’ny RN2Bis Tsararivotra no navelan’ireto jiolahy ny fiara sy ilay mpiambina sivily nentiny.
Tsy tao kosa ireo vola ary nanjavona teo ireto jiolahy na nokarohan’ny FIP Toamasina aza. Ankoatra izany, dia maro ny resaka heno nandritra ny fitrandrahana ny vaovao, toy hoe “misy firaisana tsikombakomba tamina mpiasana banky ity raharaha ity, matoa ireo scooter ireo efa ela no nijanona teo anoloany nefa tsy taitra ireo mpiasa mpitondra ny vola”, sy ny hoe «maninona no nohamafisina ny fanaraha-maso sy ny fiambenana ny famoahana ny vola». Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny polisy misahana ny heloka bevava ka ho hita eo ny marina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.