Actualités

BNI Nitombo 40% ny vola nampindramina tao anaty krizy


  • Alarobia 13 Jolay 2011

Vao mainka nitombo aza ny vola nampindramin’ny banky BNI ny mpanjifa tao anatin’ny krizy.

 Raha ny tatitra nataon’ny tomponandraikitra voalohany eto amin’ny faritra Antananarivo dia niakatra 40% ny vola nampindraminy ny taona 2009 sy 2010 mitambatra ka samy miabo avokoa ny anjaran’ny mpanjifa tsotra sy ny orinasa. Ny fisian’ireo tolotra manokana no anisan’ny nahatonga izany raha ny fanazavan’i Vero Razanamparany. Vao nohavaozina indray moa ankehitriny ireo tolotra ireo dia ny “credit conso”, ny “crédit immo” ary ny Leasing. Afaka manao findramam-bola amin’ny alalan’ny “crédit conso” avokoa ny mpiasa rehetra ka ao anatin’ny 12 ka hatramin’ny 60 volana no hamerenana azy. Fividianana tany, fananganana na fanitarana trano sy asa vaventy hafa kosa no anomezan’ny BNI vola amin’ny “crédit immo”. Miankina amin’ny habetsaky ny vola indramina, ny taha ary ny fahafahan’ny tsirairay mamerina izany no anapahana ny fepetra anaovana ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta. Raha ny nambaran’ireo tomponandraikitra amin’ity banky ity dia fotoana kely dia kely mialoha ny hilany vola ny mpanjifa vao manao fangatahana findramam-bola amin’ny banky mazana. Manolotra soso-kevitra ny hanaovana fangatahana mialoha lavitra izy ireo noho izany eny fa na dia tsy mbola mieritreritra ny hampiasa vola aza.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT