Actualités

BNI Madagascar Mandray ny mpindram-bola rehetra


  • Alarobia 03 Aogositra 2016

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny banky BNI Madagascar ho fanampiana ny mpiara-belona.

 

 Lohalaharana amin’izany ny fampindramam-bola izay azon’ny rehetra atao rehefa manana anton’asa mahavelona. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly ny fisian’izany ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : fampindramam-bola misy hisafidianana. Misy karazany efatra izy ireo entina hanatanterahana ny nofinofin’ny tsirairay dia ny Malaky entina hanefana ireo fandaniana tampoka amin’ny asa fanamboaran-trano ohatra, ny Vina hanatanterahana ireo tetikasan’ny tena manokana, ny Vaika hividianana fiara na môtô ary ny Tosika  entina hanampiana ireo mpiasam-panjakana hifindra trano na honina amina toerana iray mifanaraka amin’ny filany. Raha araka ny fanadihadiana natao dia taratasy findramam-bola manodidina ny 6.000 isa no andrasan’ity banky iray ity horaisina ao anatin’ny iray na roa volana monja, entina hamaliana ny hetahetan’ny tsirairay. Tsiahivina fa hanokatra ny masoivohony faha-49 tsy ho ela ity banky iray ity entina hanaporofoana hatrany ny fanakaikezan’izy ireo ny mpanjifa.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT