Vita tanteraka ny asa fanavaozina sy fanatsaràna ny BMH Isotry. Omaly no
notokanana izany foto-drafitrasa vaovao izany. Mitentina hatrany amin’ny 15 000 euros ny fandaniana lany, tamin’ny asa fanamboarana sy fanavaozana ny BMH Isotry izao. Ny masoivohom-pirenena Alemana miasa sy monina eto amintsika kosa no nanolotra ny tetibola nentina namatsiana sy namitana izany asa izany. Ankoatra ny asa fanatsarana rehetra dia fantatra ihany koa fa hosokafana ao anatin’ity ivon-toerana ity ihany koa ny efitra manokana izay natao ho an’ireo ankizy niharan’ny herisetra. Izany dia natao mba hahafahana manatona kokoa ireo olona eny anivon’ny fiarahamonina, indrindra fa ny ray aman-dreny izay manana zanaka nianjadian’ny herisetra ka hahafahan’izy ireo mahazo fandraisana an-tanana sy torolalana avy hatrany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.