Actualités

Black Nadia «Nanaovana sabôtazy izahay»


  • Alarobia 11 Aprily 2012

Nitondra fanazavana ny antony tsy nahafahany nanatanteraka fampisehoana tamin’ny toerana roa samihafa teto an-drenivohitra, dia teny amin’ny kianja Don Bosco Ivato sy teny amin’ny kianja Betongolo, ny alatsinain’ny paska 2012 teo i Black Nadia.

 Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Motel Anosy omaly tolakandro, nanambarany fa voatanan’ny Polisy tao Mahabo izy ireo, rehefa nahitana fonosana rongony miisa dimy ny fiara nitondra ny mpikambana sasany ao amin’ny tarika. Tsy nihambahamba i Black Nadia nilaza fa sabôtazy no natao azy. Avy nanao fampisehoana tao Morondava, ary an-dalana hihazo an’Antananarivo izy ireo ny alin’ny alahadin’ny paska no voasakana rehefa tao Mahabo. Ny nahagaga, hoy izy, dia nivantanan’ny polisy avy hatrany tamin’ny faritra nisy ilay fonosana rongony fa tsy hoe nisava ny fiara manontolo.

Nilaza koa ny tenany, fa tsy tao anatin’ilay fiara nahitana io rongony io izy, ary tsy nahitana izany koa na ny entany na ny entan’ireo mpitendriny nandritra ny fisavana, fa efa maty paika ka nasisika tamina faritra manokana tao anaty fiara ireo zavamahadomelina ireo. Na izay dia tsy maintsy niatrika famotorana ny mpikamban’ny tarika rehetra, ka ny alatsinainy tamin’ny dimy ora maraina vao tafavoaka tao Mahabo. Niezaka nanenjika taty Antananarivo, saingy nihitsoka tamin’ny fitohanan’ny fiara nanomboka tao Ambatofotsy, amin’ny lalam-pirenena faha-7. Aminy dia tetika efa nomanina izao, ary fantany ny tompon’antoka tamin’izany ka tsy hamela ho vita mora izao ny tenany, noho ny fahafaham-baraka sy ny fahadisoam-panantenana teo amin’ireo mpankafy efa niandry azy teto an-drenivohitra. Horaisinay ny andraikitra sy ny fepetra rehetra, ka tsy hanin-droa ny toy izao, hoy hatrany i Black Nadia. Manome fotoana ny mpankafy azy eto an-drenivohitra ny tarika amin’ny pantekoty ho avy io.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT