Actualités

Bizina vilanin-drazana 200.000 Ar ny iray


  • Sabotsy 06 Aogositra 2016

Ankoatra ny olon-tsotra mody alina na mivoaka maraina loatra sao voavelin’ny bois rond dia mitaintaina noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ihany koa ankehitriny ireo olona manana ireny karazana vilany vy lehibe taloha ireny.

Raha araka ny fantatra mantsy dia mitohy hatrany ny fitadiavan’ireo olona mpanam-bola ireny vilany vy ireny izay sahiny  vidiana  200.000 Ar ny iray raha kely indrindra ary mitety tanàna mihitsy izy ireo. Ireo faritra ambanivohitra toa an’Ambatomirahavavy, Imerintsiatosika iny amin’izao no tena miaina izany isan’andro, hany ka velom-panahiana ny amin’ny mety hamoizany ny ainy tampoka ny mponina satria misy mihitsy ireo mamaky trano mikaroka io vilanin-drazana io. Araka ny fantatra anefa dia vilany nolovaina tamin’ny razambe izy ireny,  izany hoe tsy azo amidy ary ajanona mba ho hitan’ny taranaka faramandimby. Ankehitriny, efa tena lasa bizina tanteraka izy ity, ary fianakaviana maro no mivelona aminy amin’ny alalan’ny fitetezana tanàna. Ireo teratany Sinoa eto amintsika ihany no ati-doha miketrika ity  fividianana vilany vy ity. Raha mitohy izao dia inoana fa hiitatra any amin-javatra tsy eritreretina intsony izao bizina vilany taloha  izao raha tsy mandray ny andraikiny ny fanjakana.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT