Bizina andramena

> Tsy voafehy raha tsy milamina ny firenena


  • Zoma 06 Septambra 2013

Tsy voafehy mihitsy ny fanapahana sy ny fanondranana an-tsokosoko andramena eto amintsika raha tsy milamina tanteraka ny firenena Malagasy, hoy ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha, Randriamiarisoa Joseph.

Ampahany amin’ny fandrobana ireo harena maro mahazo ny firenentsika ihany io tranga io, hoy ny fanampim-panazavany fa tsy hita pesipesenina ireo fananam-pirenena Malagasy dia ny harena ankibon’ny tany toy ny volamena, vatosoa, safira… sy ny any anaty ranomasina tahaka ny sokatra sy ireo karazana hazandrano izay voaroba ary mandeha amin’ny fomba miafina any ivelany. Manampy trotraka izay ny tsy fandriampahalemana miaraka amin’ny vono olona sy ny fanondranana olona. Ny zava-misy tahaka izao dia tokony hanaitra ny fahatsapan-tenan’ny olom-pirenena tsirairay miatomboka any amin’ireo tompon’andraiki-panjakana ary mifarana hatrany amin’ny isam-batan’olona. Ny olana anefa araka ny fahitany azy dia tsy misy fanjakana afaka manapa-kevitra eto Madagasikara ka sarotra ny mandray andraikitra manoloana ny toe-javatra tahaka ny miseho amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’ireo mpitondra Malagasy mahefa ankehitriny ny miaro ny olona sy ny fananany tsirairay ary mbola sarotra kokoa ho azy ireo ny miambina ireo harena iombonana maro misy eto amin’ny Nosy, hoy ny dokotera Randriamiarisoa Joseph. Potika tanteraka ny firenena ka mila fanorenana vaovao. Tsy ho tontosa anefa izany raha tsy miara-miaiky ny maro an’isa eto amin’ny firenena fa mila hajoro eto ny tena fanjakana milamina, matanjaka ary sahy mandray andraikitra.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT