Bizina andramena

> Misy CST sy CT ao anaty tambajotra


  • Zoma 23 Aogositra 2013

Miha mazava hatrany ny manodidina ireo andramena voalaza fa nanjavona tamin’ny fiandohan’ity volana aogositra ity nefa hazo nogejaina teo anivon’ny sampandraharahan’ny ala sy ny tontolo iainana tao Fenoarivo Atsinanana.

Araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny fitsarana mahalala tsara ny raharaha, dia mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary ao anatin’ireny vaomiera mpanao fanadihadiana manokana ireny sy ny mpikambana vavy eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita no nampiasa “ordonannce” hosoka nentina namoahana ireo andramena nogiazana ireo fa hoe : “hafindra ao Toamasina”. Tafavoaka tsy nisy olana tao Fenoarivo Atsinanana ireo andramena ireo ary tambajotra matanjaka no nanamora izany. Nanjavona teny amin’ny lalam-pirenena faha-05 hihazo an’i Toamasina anefa ireo andramena ireo. Mpitsara no nampangaina fa nibizina andramena. Nanomboka teo ny fanadihadiana ka nahitana fa tsy misoratra amin’ny fitantanana an-tsoratry ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina ilay “ordonnance” namoahana ireo hazo sarobidy ireo. Nanamafy koa ilay mpitsara voatonona fa sady tsy nanao sonia izany ny tenany no tsy soniany koa no mipetraka amin’ny didim-pitsarana. Nametraka fitoriana ilay mpitsara ka dia misokatra ny fanadihadiana lalina noho ny amin’ny fampiasana didim-pitsarana hosoka sy fisandohana andraikitra ary fangalarana ny sonia.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT