Tao anatin’ny herinandro latsaka izao dia niely teto an-drenivohitra ny feo mampifandray ny gropy satanika sy ny biskoitra Bolo.
Maro amin’ny tomponandraikitry ny sekoly no mandrara ny fividianana sy ny fihinanana ity vokatra iray an’ny orinasa JB ity noho io toe-javatra io. Nisy vokany amin’ny tsena izany raha ny fanambaran’ny mpitantana ny orinasa. “Ireo tsenakely no nampiato ny fandraisany ny biskoitra Bolo mandra-piandry izay fanazavana avy aminay mpamokatra”, hoy i Thierry Barday, tale misahana ny fifandraisana sy ny “marketing” ao amin’ny JB. Fokontany vitsivitsy eto an-drenivohitra, Ambatolampy sy Antsirabe, izany hoe ireo tanàna roa nahenoana resaka momba ny fisian’ny tanora mpikambana ao amin’ny Gropy Satanika no tena niparitaka ity tsaho ity, hoy izy nanohy ny fanazavany. Araka izany dia manamafy ny JB fa tsy mitombina ny fanasoketana ny vokatra Bolo noho ny kisarisary hita aminy. “Efa 20 taona mahery no nampiasanay ireo kisarisary tarehy mahatsikaiky amin’ny biskoitra mba hampialavoly ny ankizy. Tsy mamokatra ny biskoitra Family intsony izahay saingy izy ireny ihany no norakofana sokolà anamboarana ny Bolo. Amin’ny Biskoitra Family no misy ireo kisarisary tarehy ireo”, araka ny nambaran-dRakotoarisoa Simon, tale misahana ny fampiroboroboana ny indostria ao amin’ny JB.
Manara-penitra
Nampiany fa azo antoka tsara ary tsy ahiana hisy voka-dratsy ara-pahasalamana na ara-batana na ara-tsaina amin’ny mpanjifa ny Bolo sy ny vokatra hafa rehetra vokarin’ny orinasa. Nahazo ny “certificat de consommabilité ” avokoa ireo vokatra ireo raha indray mandeha isam-bolana no atao ny fanamarinana amin’ny laboratoara eny anivon’ny sampandraharaha fanaraha-maso ny sakafo Tsaralalàna. Misy koa ny fitsirihana iraisam-pirenena ny kalitao ka ahazoana ny fankatoavan’ny HACCP izay anisan’ny be mpampiasa erantany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.