Actualités

Biraon’ny Kaominina Ivato « Havaozina manomboka amin’io taona ho avy io »


  • Talata 28 Desambra 2021

Tsy hiandry ela intsony fa hanomboka amin’io taona vaovao 2022 ho avy io ny asa fanavaozana ny biraon’ny kaominina Ivato,

fampanantenan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina raha araka ny fanazavan’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanana Andrianjakarivony Manitra tamin’ny mpanao gazety omaly. Na ny teti-bola hampiasaina amin’izany na ny fanomanana amin’ny resaka tsenam-barotra mantsy raha araka ny fanazavany dia ilana fotoana avokoa fa tsy vita am-bava fotsiny ihany. Ankoatra io asa goavana hotanterahina ao Ivato ity dia efa niezaka ny nanao izay tratry ny heriny ihany koa ny kaominina hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Nataon’izy ireo ho lohalaharana tamin’izany ny asa fanadiovan-tanana ka nanoloran’ny filoham-pirenena kamiao iray niampy ilay kamiao efa antitra hananan’ny kaominina sy bakan-jaoridira miisa 5. Tsy latsa-danja amin’izany hoy izy ireo karazana foto-drafitrasa mamaly ny filan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro toy ny asa fanamboaran-dalana…. izay novitaina tamin’ny alalan’ny haba sy ny hetra nalohan’ny mponina. Marihina moa fa anisan’ny paikady hampiasain’ny kaominina Ivato amin’ny ady hatao amin’ny coronavirus ihany koa ity asa fanadiovan-tanana hiantsorohan’izy ireo ity, izay hiarahany amin’ny fikambanana maro samihafa sy ny fokonolona.
Pati
Legende : Andrianjakarivony Manitra, lefitra voalohan’ny Ben’ny tananan’Ivato !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT