Actualités

Biraon’ny faritra Itasy Mpiasa tao ihany no tratra namoaka entana tao an-toerana


  • Talata 23 Aogositra 2022

Lehilahy iray 45taona izay mpiasa ao amin’ny Faritra Itasy ihany no tratra nangalatra tao amin’ny biraon’ny Faritra Itasy ny Sabotsy 20 Aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

Teo am-pitaomana ireo entana nangalariny izy no tazan’ny mpiara-miasa aminy hafa ka ireto farany no niantso ny mpitandro ny filaminana. Tratra ambodiomby mihitsy ity farany nandritra izany izay marihina fa namoaka entana amin’ny lera sy andro tsy fiasana. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ary noentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny CSP Miarinarivo. Marihina fa efa nisazy tao amin’ny fonjan’i Miarinarivo koa ity farany noho ny resaka vono olona tamin’ny taona 2015. Naiditra am-ponja vonjimaika indray ny lehilahy taorian’ny niakarany teo anivon’ny fampanoavana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT