Biraon’ny zandary Sanfily Toliara

> Nipoaka ny grenady, zandary iray maty, 4 naratra mafy


  • Alarobia 23 Oktobra 2013


Nandriaka indray ny ra tany Toliara omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Zandary iray mitondra ny galona GP2C no maty ary efatra hafa kosa naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Toliara tamin’ny ora anoratanay. Nanaitra ny mponina manodidina ny tobin’ny zandary ao Sanfily Toliara izay toerana tsy lavitry ny fiantsonan’ny taksiborosy ho aty an-drenivohitra ny fipoahana, ka vetivety dia vory ny olona ary niely eran’ny tanàna ny vaovao avy eo. Hatreto aloha dia tsy voafaritra mazava ny antony nampipoaka an’ity grenady ity.  Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny tompon’andraikitra, ka ho hita eo ihany ny tohin’ity raharaha ity. Marihina fa ity zandary namoy ny ainy ity dia efa handeha hisotro ronono ary izy irery raha araka ny fanazavana no tao amin’ny efitra nisehoan’ny fipoahana fa ireo naratra hafa tamina efitra hafa.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT