Actualités

Biraom-panjakana Fa amin’ny firy marina ny ora fidirana ?


  • Alarobia 20 Jolay 2011

Mampiteny ny moana ny fomba fiasa eny amin’ireo biraom-panjakana.

 Tsy fantatra intsony mantsy izay ora fidirana sy firavana. Araka ny filazan’ireo olona mpikarakara taratasy amina biraom-panjakana iray eto an-drenivohitra dia amin’ny 9 ora mahery vao miditra birao ny mpiasa sasany. Ny marina anefa dia amin’ny 8 ora maraina ny fidirana ary na eo amin’ilay birao aza dia misoratra mazava hoe : «ny maraina ihany no mandray taratasy». Na dia efa tara aza ilay mpiasa birao dia mbola manao teny feno avona amin’ny olona milahatra efa miandry azy eo ihany, ary mbola sahy mampiandry.

Tsy vitan’izay fa mbola manana fotoana hivezivezena any amin’ny birao hafa mitakoritsika amin’ny mpiara-miasa ihany ilay mpiasa. Araka ny fitarainan’ireo mpikarakara taratasy ihany dia amin’ny 11 ora mahery indray dia efa mivoaka ilay mpiasa fa hoe handeha hisakafo, hono. Raha tonga teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina dia anisan’ny fanovana voalohany nataony ny ora fiasana ho an’ny mpiasam-panjakana ka tsy ilay mitohy amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 4 ora hariva intsony fa miditra amin’ny 8 ora dia mirava amin’ny 12 antoandro dia miditra amin’ny 2 ora tolakandro indray dia mirava amin’ny 5 ora hariva. Rehefa tena atao anefa ny fanadihadiana dia misimisy ihany ireo mpiasa amin’ny biraom-panjakana tsy manaja io ora fa manao izay tiany. Dia sanatria ve miverina indray ny gaboraraka amin’ny asam-panjakana satria hoe izay no fanovana ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT