Actualités

Birao vaovaon’ny CCI Toamasina Efa vonona amin’ny fiaraha-miasa ny cci bordeau


  • Zoma 05 Aprily 2013

Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny lehiben’ny faritra atsinanana, Atoa Mahavimbina Alain, ireo ekipan’ny birao vaovao ny antenimieran’ny varotra Toamasina (CCIT), notarihan’ny filohany Atoa Rafidimanana Narson omaly mitatao vovonana.

 “Tsy hanao toy ny birao rehetra teo aloha ianareo birao vaovao ireto ka tsy hahatody manda. Teknisianina sy tanora vonona amin’ny fampandrosoana avokoa ianareo, ka hinoana ny ho fitazonan’ny antenimieran’ny varotra ny tena toerany amin’ny maha antoky ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny mpandraharaha ary ny ara-toekarena azy”, izay no nambaran’Atoa Mahavimbina Alain izay novalian’Atoa Rafidimanana Narson avy hatrany fa “hiaraka isika manomboka izao amin’ny fampiroboroboana ny toekarena eto, sy ny fampandrosoana marina ny mpandraharaha, ary lafiny fandraharahana amin’ny maha kapitaly ekonomika antsika”.

Raha hiverenana ny tantara, dia olana hatrany ny fitantanana ara-bola sy fampidiram-bola ary fitiavan-tena manokana ny mpitantana tao amin’ny CCI Toamasina, hany ka tsy voajery ny mpiasa, adino ny toekaren’ny faritra ary tsy nisy ny vola nentina niasa. Nambaran’Atoa Rafidimanana Narson, fa “avy hatrany dia asa ny anay, ny tanjonay rahateo dia ny mangarahara, ny fitantanana tsara tantana, ny fiaraha-midinika, ary ny fiarahana manapaka ny politikam-pampandrosoana entina”. Vokatra izay asa sahady izay dia fantatra izao fa ny 21 – 25 mey izao dia efa ho avy ny CCI Bordeau Frantsa, izay hahatonga ny filoha sy ny ekipan’ny CCI Toamasina hihazo an’i Bordeau ny faran’ny herinandro izao hametraka ny drafi-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Ankoatra izay, dia efa vonona ihany koa ny CCI any Chine sy Canada, saingy mbola miandry ny drafi-piaraha-miasa ihany koa eo amin’ny CCI Toamasina. Tsy hohadinoina koa anefa ny fiaraha-miasan’ny 3P an-tanana, satria ny “rehetra miara-mientana sy mandray ny andraikiny ny miantoka ny tanjona tianay hapetraka”, hoy hatrany izy namarana ny fanazavany.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT