Birao fandatsaham-bato

> Tsy ho rakotry ny mpanara-maso 100%


  • Alarobia 02 Oktobra 2013


Tanjona ny haharakotra 100% ireo birao fandatsaham-bato rehetra manerana ny Nosy mandritra ny fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahina ny zoma 25 oktobra 2013, hoy ry zareo avy ao amin’ny “Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes”. Tsy ho tratra anefa io salan’isa io raha ny zava-misy ankehitriny no resahina. Sady miadana be no tsy ampy mihitsy mantsy ny fifanatonana sy fandrindrana asa eo amin’ireo samy mpanara-maso. Anisan’ny antony mahatonga izany ny fahataran’ny famatsiam-bola sy ny fahateren’ny fotoana. Ambany ihany koa ny fahaiza-manaon’ireo mpanara-maso entina miatrika izany noho ny fahataran’ny fanentanana sy fampiofanana. Vokany dia tena ho sarotra ho an’ireo mpanara-maso ny fizotry ny fifidianana ny hamoaka vokatra azo itokisana mba hisorohana ny hosoka sy ireo hala-bato mety hitranga, hoy ny CCOC.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT