Bileta tokana

> Tsy manaja ny tsiambaratelon’ny fifidianana ?


  • Alatsinainy 30 Septambra 2013

Tonga tamin’iny herinandro lasa iny ny andiany voalohany amin’ny bileta tokana avy any Afrika Atsimo, raha efa tamin’ny 21 septambra no nanombohana ny fampahafantarana sy ny fanentanana ofisialy ny fomba fampiasana azy.

Nanomboka teo koa anefa dia mitombo ny ahiahy manodidina ity bileta tokana ity. Ny kandidan’ny “Vitatsika io” Raharimanana Venance Patrick izao dia nanamarika fa “tsy voahaja tanteraka ny tsiambaratelon’ny fifidianana raha ny “specimen” nozaraina tamin’ny kandida sy ny mpanara-maso ny fifidianana sy mpanentana amin’ny fifidianana, satria dia misy laharana hita maso isaky ny bileta, amin’ny faritra ambony, sisiny an-kavia, ka tsy bileta tokana intsony izany no ampiasaina fa bileta 9 tapitrisa”. Noho io ahiahy io dia fantatra fa nametraka fitoriana any amin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana na CES ity kandida ity. Herinandro anio alatsinainy no nametrahany ny fitoriana, nefa tsy mbola nisy valiny izay mahavariana ihany satria ny mahazatra dia roa andro raha ela dia mamaly ny CES. Hatao amboletra indray ve ity bileta sivy tapitrisa ity ? Sa raha sendra tsy lany ny kandidam-panjakana dia io no harangaranga hanafoanana ny voka-pifidianana ?

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT