Biletŕ tokana

> Mety handiso ny voka-pifidianana


  • Alakamisy 29 Aogositra 2013

Efa navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena mikarakara ny fifidianana tamin’ny fomba ofisialy ny daty hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena sy ireo solombavambahoaka.

Hatramin’izao izany aloha dia ny zoma 25 oktobra 2013 ny fihodinana voalohany amin’ny fandatsaham-bato izay ho filohan’ny Repoblika aorian’ny tetezamita izay efa naharitra ela loatra. Anisan’ny mampiavaka ny fifidianana hotanterahana amin’ity taona ity, raha tsy misy indray ny fiovana, ny fampiasana ilay antsoina hoe : “biletà tokana”. Izany hoe horafetina ao anatin’ny taratasy iray lehibe ny mombamomba ireo kandidà hirotsaka ka hisafidianan’ireo olom-pirenena ampy taona sy manan-jo hanatanteraka izany. Mbola miteraka adihevitra moa hatramin’izao ity fampiasana biletà tokana ity satria dia misy avy hatrany ireo mpifidy mety ho very zo tsy fidiny satria manana fahasahiranana manokana toy ireo izay tsy mahay mamaky teny sy manoratra sy ny olona manana fahasembanana. Fa mbola olana iray hafa ihany koa ny fanentanana sy fampianarana ireo olom-pirenena Malagasy an-tapitrisany handatsa-bato mandritra ny fifidianana. Ho an’ny manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena Radanoara Julien, ohatra, dia mety handiso ny voka-pifidianana ny fampiasana azy ity. Ny antony dia tsotra ihany, araka ny fomba fijeriny. Ilaina ny fomba fampianarana azo antoka ny mpifidy mba ho tena ilay safidiny tokoa no ho vokatra mivoaka eo. Izany anefa dia mila fanomanana maharitra sy paikady voarindra mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana. Soso-kevitra arosony, ohatra, ny tokony hampitaovana “radio manivelle” ny vahoaka eto Madagasikara ka amin’ny alalan’io vata fandrenesam-peo io no ampitahaina ny vaovao rehetra manodidina ny fandatsaham-bato.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT