Bileta tokana

> Lasa famonosana entana eny an-tsena


  • Alatsinainy 17 Febroary 2014


Hatairana ny an’ity mpiantsena raha namaha ny entana novidiany ny sabotsy 15 febroary teo, fa dia bileta tokana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 25 oktobra 2013 no namonosana ny entana. Tsy mba irony bileta fampiasa hanaovana fampianarana misy marika “SPECIMEN” irony izy ity fa bileta tokana misy laharana (1 236 107). Tsy nahitana marika milaza fa efa nampiasana anefa ilay bileta ary tsy nahitana taratra koa hoe dika mitovy ve izy io. Na efa nampiasaina na tsia dia tokony ho amin’ny CENI-T ireny bileta tokana ireny fa ny fahitana ny toe-javatra toy izao no nahatonga ny ahiahy tamin’ny fahamarinan’ny fifidianana filoham-pirenena.

 

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT