« Zavatra mampalahelo sy mahamenatra ny fisian’ny zava-manan’aina tsy hita afa-tsy eto Madagasikara, harenantsika, kanefa any amin’ny firenen-kafatra indray no lasa ahitana azy betsaka »,
hoy ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy Rtoa Raharinirina Baomihavotse Vahinala omaly, nandritra fampahafantarana ny tetikasa « Ady amin’ny kolikoly sy trafikana harena voajanahary » tohanan’ny Amerikanina. Ohatra iray amin’izany ny sokatra angonoka, izay zara raha 200 latsaka eo ho eo izany sisa eto Madagasikara, fa any amin’ny Nosy Maorisy, any amin’ny firenena Asiatika ka voalaza manokana ny any Japon no anisan’ny ahitana azy betsaka kokoa. Isan’izany ihany koa ny gidro na «Lémuriens », izay hita any amin’ny valanjavaboahary any ivelany. Misy ny nomentsika na nampindramintsika an’ireny, izy ireny no lasa manana bebe kokoa noho isika satria mitombo ny tsindry amin’ny fihinanana ireny karazam-biby ireny. Ny fosa, ohatra, dia ahitana azy io any Belzika izay misy reniny sy zanany vao teraka, kanefa ny ankamaroan’ny zaza Malagasy aza misy mbola tsy nahita fosa izany. Efa noresahina tamin’ny mpiara-miobon’antoka ny fahafaha-mamerina azy ireny, hoy io minisitra io. Tsy maintsy hisy ny fifandraisana mivantana amin’ireo firenena nomentsika an’izany. Nanomboka ny 2019, dia tsy nisy intsony ny fanomezana azy ireny. Misy no mety lasa tany tamina fifanarahana ara-tsiantifika, saingy lasa ampiasaina amin’ny ara-barotra. Ny “Yoga Lemurs” izao any Etazonia, ohatra, dia miaraka amin’ireo karana gidro no manao “yoga”, izay tsy ara-dalàna ireny, ka mbola hifandinihana, hoy io Minisitra io. Nisy ny nomentsika tamin’ny ara-dalàna, toy ny valan-kavavoahary any Zurich any Suisse izay hain-dry zareo ny nampotombo azy. Ny olona mety nahay nampitombo, fa ny antsika niha potika, isan’ny anton’izany ny fanimbana ny ala. Misy ihany koa moa ny trafika amin’ny endriny maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.