Nisehoana tranga hafahafa tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano omaly. Kisoa iray no fantatra fa niteraka olona ka tahaka ny olona mihitsy ny lohany.
Kisoa kosa ny tapany ambany raha araka izao hitantsika amin’ny sary izao izay niteraka resabe tokoa. Betsaka araka izany ireo nametra-panontaniana fa sao sanatria fiarahan’ny olona sy kisoa no nahatonga izao zava-doza izao. Misy koa anefa ireo milaza fa mateti-pitranga ny tahaka izao. Samy manana ny eritreriny ny rehetra manoloana izany. Raha araka ny fantatra moa dia velona soa aman-tsara aloha hatreto ity kisoa hafahafa ity. Tsy fantatra kosa anefa na hateza izy na tsia.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.