Actualités

BIANCO Hanao tatitra eny Anosy anio


  • Zoma 27 Mey 2016

Hanao tatitra momba ny asa vitany nandritra ny taona 2015 amin’ity anio ity manomboka min’ny 9 ora sy sasany maraina eny amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy ny Bianco na ny birao mahaleotena enti-miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara

 

.Tatitra efa fanao isan-taona ary andrasa’ny rehetra fatratra satria betsaka ihany izay tranga sy ahiahina kolikoly nisy teo amin’ny firenena izay ; anio izany no hahafantarana hoe inona avy ny antontan-taratasy tonga teny amin’ny Bianco, inona no nanaovana fanadihadina ary nanao ahoana ny vokatra.Tsy manana fahefana hanagadra moa ny Bianco fa rehefa mahavita ny fanadihadiana ataony dia manatitra ny antontan-taratasy eny amin’ny fitsarana mahefa.Folo taona nijoroana ankehitriny ity sampandraharaha iray ity saingy maro no mbola tsy resy lahatra amin’ny asa vitany satria toa hita miriaria eny anaty fiarahamonia eny ihany ireo olona fantatra fa mpanao kolikoly.Hatramin’izao ihany koa dia tsapa fa tena mbola tsy mazava amin’ny ankamaroan’ny olona ny famaritana ny hoe kolikoly, manampy izay dia tsapa fa anisan’ny olana goavana amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ny fomba fisainan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny izay tia mifanolotolotra fanomezana rehefa misy zavatra atao ka sarontsaromana amin’ny hoe fahafaliam-po na fifampitsinjovana izany.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT