Nanolotra ny asa vita nandritra ny taona 2020 teo anoloan’ny solombavambahoaka ny Birao Mahaleotena miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) omaly alarobia 17 novambra 2021,
izay nataon'ny Tale Jeneraly Andrianirina Laza. Voalaza nandritra izany fa fitarainana mihoatra ny 3700 no voaray ka mikasika ny fananan-tany no be indrindra amin’izany, manaraka azy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ary ny fitsarana. Ny fanenjehana be indrindra kosa dia mikasika ny fanamparam-pahefana arahin’ny fanodikodinam-bolam-panjakana. Maro ny fanontaniana napetraky ny solombavambahoaka ny amin’ny hetsika ataon’ny BIANCO hiadiana amin’ny kolikoly indrindra eo amin’ny tontolo ambanivohitra mahakasika ny omby sy ny fananan-tany, teo ihany koa ny momba ireo raharaha naha-be resaka maha-voaroiroy ny mpitantana ambony teo aloha, hoy ny tatitry ny Antenimieram-pirenena. Hatreto aloha, tsy misy tohiny ireo raharaha goavana tena nandrasan’ny Malagasy ny toy, raha tsy hilaza afatsy ny « bonbons sucettes » 8 miliara, ny raharaha « écran plat » 200 tapitrisa mahery,… izay nisy tamin’ireny no voalaza fa efa nalefan’ny Bianco tany amin’ny Antenimieram-pirenena ny tatitry ny fanadihadiana ahafahana mankatoa ny fanenjehana ireo olona ambony voakasika. Ny raharaha ampamoakan-dRamasomanana Ravo Nambinina izay mpiasa niantsoroka ny tsenambaro-panjakana tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana aza moa dia voalaza fa nalefany eny amin’ny Bianco, saingy asa hoe rahoviana no ho voajery ? Ny zava-misy aloha dia izy indray no voatory sy miandry ny didim-pitsarana amin’ny 29 novambra 2021 izao. Raha hiverenenana, nambarany fa 44 miliara Ar tokony hanaovana hopitaly manara-penitra 13 amina distrika nalaina tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana saingy tsy tafaverina manontolo; 730 tapitrisa miliara nandokoana ny ivelan’ny hopitaly miisa 7; nisy hosoka sy ny fampiasana hosoka ny dosie tamin’ny “centre de transplantation rénale” mitentina 900 tapitrisa Ar eny Andohatapenaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.