Actualités

Bezaha Tsangambato fampiadiana foko ?


  • Alakamisy 31 Mey 2012

Araka ny tatitra an-gazety nataon’ireo mpianatra olimpiades avy any Fianarantsoa farany teo, dia tsy marina raha ny sarina olona manao fampianiam-poko any amin’ny faritr’i Bezaha no lazaina hoe “stèle”, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Rakotoniaina Jean Gringo.

 Tsy marina izany ! Ny sarina filohan’ny DTS (Dahalo Tonga Saina), hoy izy, dia tsy “stèle” fa io anarana io dia vakoka no dikany. Ka raha ny tsangambato omby izay natsangana niaraka tamin’ity sarin’olona dia tena “stèle” io ary izany no tsy nandravana azy. Vokatry ny harena ao Atsimo Andrefana sy any Bezaha manokana izy io. Fa ilay sarin’i Tsiavaliky Célestin izay tompoin’ireo mpianatra avy any Fianarantsoa ireo dia tsy vakoka io sady tsy nahazoana alalana ny fametrahana azy fa manelingelina fifamoivoizana, hoy hatrany Rakotoniaina Jean Gringo. Ny soratra nampiarahana azy manao hoe “Dahalo Tonga Saina” sy ny hoe “Samy zana-dray” dia tena fampiadiana foko tsotra izao aminay ka aoka tsy hifamitaka, hoy ity CT avy any Bezaha Betioky ity. Izahay mponina any mahalala tsara ny tena zava-misy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT