Ny MCT avy amin’ny antoko Tambatra, Bezara Seramila izay mpikambana mpanorina ny antoko MFM fahiny ihany koa saingy nikopak’elatra niaraka tamin’ireo namany toa an-dry Pety Rakotoniaina no vahinin’ny Sokela anio.
Tia Tanindrazana (TT) : Tonga eo amin’ny kihon-dalana lehibe ankehitriny ny fiainam-pirenena, ny hevitry ny Tambatra ?
Beza Seramila (BS) : Tena marina fa eo amin’ny kihon-dalana sarotra isika Malagasy ankehitriny, fa tonga ny fotoana tokony hanovantsika sata amin’ny fomba fitondrana ny firenena, ny fomba fitantanana ny harem-pirenena. Mizara roa mazava tsara io kihon-dalana io : misy ny sasany te hanao hitsin-dalana milaza fa mila manao fifidianana isika hamahana ny krizy. Ny maro an’isa anefa mahatsapa fa tsy vao izao ihany isika no sendra kihon-dalana tahaka izao teo amin’ny tantaram-pirenentsika. Ny lasa fakan-desona. Tsy ny tantara no miverina fa ny ataontsika no tsy mety. Ny 1972 sy 1991, 1996-1997 ary 2002 dia nofaranana tamin’ny fifidianana kanjo niverimberina ny krizy satria isika tsy nanova sata fa nanova olona foana izay tsy namaly velively ny nandrasan’ny vahoaka taminy.
TT : Ka efa sata vaovao anie ilay tamin’ny 2010 e ?
BS : Izahay tao amin’ny fitondrana ihany dia efa nahita fa tsy tomombana iny fifidianana lalàmpanorenana tamin’ny 2010 iny. Tsy ny rehetra no nandrafitra azy iny fa mbola izahay mpitondra ireo ihany. Mbola averiko hatrany fa tsy maintsy apetraka ny rafitra fototra mandrafitra ny lalàna vao mametraka mpitondra hampihatra azy.
TT : Tena tsy mety ve izany aminareo ity fifidianana hatao ity ?
BS : Tena tsy mety mihitsy satria ny iraisam-pirenena no nandray andraikitra ny hirosoana amin’ny fifidianana fa ela loatra. Marina fa ela loatra, mahantra ny Malagasy ka tokony ho faranana ny krizy. Nefa mino izahay fa raha izao kiry biby atao izao dia vao mainka hihalalina ny fahantran’ny vahoaka, hihamafy ny fifandrafian’ny Malagasy samy Malagasy ka izay no tokony hialana ka hoe andao aloha hiova sata. Raha ny vahoaka Malagasy no mitaky an’izany dia tsy maintsy hanaiky izany ireo iraisam-pirenena ireo. Isika no tompony, isika no hifidy fa fanampiana fotsiny ny any ivelany. Tsy miolonolona samirery anefa isika fa miara-miasa ary isika no mametraka hoe izao no mety aminay !
TT : Ianareo mpanao politika fatra-pitaky ireo ve hanaiky izay sata ho lany eo ?
BS : N’inona n’inona lany eo dia ekena an-tsakany sy an-davany izany saingy ny mety aminay dia ny rafitra miainga amin’ny fampandrosoana avy any amin’ny Faritra, miainga amin’ny vahoaka ifotony fa izay ihany no miteraka risi-po sy fahazotoana ho an’ny vahoaka, mamaly ny hetaheta andrasany.
TT : Gagagaga ny olona fa antoko manana mpitarika malaza sy ankatoavin’ny vahoaka tahaka anareo no tsy mba sahy nanolotra kandidà filoham-pirenena ?
BS : Tsy resy lahatra izahay hoe mety ny fifidianana filohan’ny Repoblika atao mialoha ilay sata nodradradradrainay teo. Izahay koa, tsy afenina, tsy manana ny hoenti-manana hiatrehana an’izany fifidianana goavam-be izany izay tsy kilalaon-jaza velively fa tena izy. Fa ianao ve dia mino sy mieritreritra fa ho lasa daholo izy ireo ? Tsy mino izany aho fa tena misy manandrana amin’ireo. Io tsy vitan’ny hoe manana olona fa mila manana ny ampy ny tena. Ka feno ny fepetra vao mba milatsaka fa tsy manaotao foana eo.
TT : Manao ahoana ny tena anavahanareo ny maha Tambatra anareo manoloana ny foto-kevitra namolavola fony tao amin’ny MFM ?
BS : Izahay aloha dia olona miara-miaina amin’ny vahoaka, manana anton-draharaha eny anivon’ny vahoaka ka ny olona atolotry ny Tambatra amin’izay fifidianana ho avy dia azo antoka fa olon’ny vahoaka fa tsy olon’ny fihetseham-bahoaka. Ka ireo vahoaka ireo no mahafantatra hoe mbola mitazona foto-kevitra MFM ve izahay sa manana ny maha izy azy anay hoe Tambatra ? Izahay dia manao zavatra amin’ny fo hentitra fa tsy mba manao zavatra miahotrahotra, tsy mpanao tsobo-dranon-dRamiangaly fa matotra ara-potokevitra noho ny fananana traikefa politika.
Nangonin’i Ntsoavina Evariste
Beza Seramila
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.