Actualités

Bevovoka Behenjy Maty notsatohan’ny mpampiasa azy ny antsy ilay mpamily


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Mirongatra ireo karazana fifamonoana feno habibiana eto amintsika. Lehilahy iray mpamily no fantatra fa maty notsatohin’ny mpampiasa azy antsy teo amin’ny foto-tendany ankavanana omaly tao amin’ny faritr’i Bevovoka,

Fokontany Tsinjony, kaominina ambanivohitra Behenjy, distrikan’Ambatolampy. Tsy nisy nahita mazava ny zava-nitranga fa ireo rabe efa nitakosina tao anatiny fiara tao aloha no tratran’ny mpitandro ny filaminana.Nivalampatra tao anatin’ilay fiara rahateo ilay razana. Avy nivarotra vy tamin’ny orinasa iray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito moa izy roalahy ireto no nisy nahita farany. Raha araka ny fanazavan’ilay Rangahy mpampiasa dia namoaka antsy ilay mpamily nandritra ny fotoana nanisana ny vola ka saika hanindrona azy. Voatazony tampoka anefa izany antsy saika hamonana azy izany fa nifototra tany amin’ilay mpamily ka ity farany no namoy ny ainy. Mbola mitohy lalindalina kokoa moa ny fanadihadiana na izany aza hahafantarana ny tena marina tokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Tao anaty fiara tahaka izao no niseho ilay fifamonoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT