Actualités

Bevohoka enim-bolana avy nisafo Naolana avy eo notapahina ny lohany


  • Talata 24 Novambra 2020

Nitrangana fanolanana sy vono olona mahatsiravina tao amin’ny Fokontany Anony,

 

 

 Kaominina Ambanivohitr’i Vohitraivo ao anatin’ny Ditrikan’Amparafaravola ny faran’ny herinandro nivalona teo. Ny zoma 20 novambra, vehivavy iray bevohoka 6 volana avy nandeha nisafo tany amin’ny hopitaly no nisy nanolana teny an-dàlana hody. Rehefa vita ny filan-dratsin’ny tsy mataho-tody, dia notapahany ny lohany, ka maty tsy tra-drano ilay Ramatoa, ary efa vatana mihosin-drà sisa hitan’ny olona. Ahiana ho olona mahafantatra azy sy fantany no nahavanon-doza, ka izay no namonoana ilay ramatoa tamin’ny fomba feno habibiana, taorian’ny fanolanana natao azy. Isan’ireo nandeha nijetry ifotony nanamarina ity toe-javatra ity ny Depiote Solofohery Rabekijana rehefa naheno izany. Mandry tsy lavo loha ireo vahoak satria dia manjaka asa ratsy. Niezaka nifanome tànnana sy nanolotra fanampiana ary nitondra teny fankaherezana ny mana-manjo io olom-boafidy io, ary manaitra hatrany ihany koa ny mpitondra fanjakana mahefa hijery sy handray andraikitra. Hita tokoa fa tsy ampy ny mpitandro filaminana ka tsy atahoran"i mpanao ratsy, hoy ny fanamarihana. Matahotra ihany koa ireo kilonga kely any ambany ravin-kazo mandeha mandranto fianarana lavitry ny tanàna fonenany, hoy ny fitarainana. Mirongatra ny asa ratsy, ny fanolanana, ny vono olona tato ho ato. Raha zaza no fandre matetika fa tratry ny fanolanana, dia vehivavy lehibe tamin’ity indray mitoraka ity, ary nesorina hatramin’ny ainy. Efa tena potika ny fiarahamonina, ka mila hikaroham-bahaolana. Ilaina ny fijoroana sy ny tsy firaisana tsikombakomba eo anatrehan’ny trangana fanolanana sy herisetra eny amin’ny fiarahamonina, ary rehefa halalinina, dia tsy hoe ny fanolanana no mitombo satria tena efa nirongatra hatry ny ela io, fa ny fahasahiana mitory sy mijoro kosa no miha maro, izay amporisihina hatrany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT