Mivadika ny rasa ao Bevato, Kaominina Befandriana Atsimo any Ankazoabo. Naiditra am-ponja mandra-piandry ny fitsarana amin’ny 04 aprily izao ny Ben’ny tanŕna ao an-toerana sy ny rahalahiny.
Nandray anjara tamin’ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny tompon’omby ary ny zandary ny tenany taorian’ny halatra omby niseho tao amin’ny tanàna iadidiany ny 10 febroary lasa teo. Hita tao amin’ny alan’i Beroy ny omby 2 raha nisy 2 hafa efa maty tao amin’ny tanin’olona iray hafa antsoina hoe Renilo ny 07 martsa lasa teo. Niaiky i Tsimeha fa tao am-balany no nisy ireo omby velona. Rehefa nangataka raharaham-pihavanana izy roalahy dia nanaiky ingahy Ben’ny tanàna.
Voasoratra tao anaty fifanekena fa ataony onitra ny omby miisa 120. Ny omby 64 ihany anefa no nomen’izy roalahy. Nalain’ny Fampanoavana sy ny Zandary am-bavany ny an-daniny sy ny an-kilany. Ireo mpanaradia manana ny omby very indray anefa no nampangaina ho nanao fakana an-keriny ireo omby 64 ireo. Noraisin’ny zandary ny omby 64 ka natolony ny tompony. Tamin’io no nampidirana am-ponja vonjimaika ny Ben’ny tanàna miampy ireo niandry ireo omby 64. Ny 4 aprily izao no hiakatra Fitsarana ny raharaha. Manao antso avo ny amin’ny Fitsarana any an-toerana ny Fokonolona mba hijery ny rariny sy ny hitsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.