Rehefa nandamoaka ny fifampiresahana natao nandritra ny fidinana ifotony
nataon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD), izay notarihin-dRamatoa Minisitra, dia nirotsaka an-tsehatra ny Organe Mixte de Conception (OMC) amin’ny Faritra DIANA notarihin’ny Lehiben’ny Fileovana sy ny Governoram-paritra DIANA, niaraka tamin’ny DREDD DIANA mba hampitsahatra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna anatin’ny « noyau dur » ao amin’ny Faritra Arovana Andavakoera anatin’ny Distrik’Ambilobe, hoy ny tatitry ny MEDD. Zandary sy polisy miisa 50 no nanatontosa ny fanesorana. Tao anatin’ny andro vitsy dia tsy nisy intsony ny fitrandrahana ary nisy ihany koa ny fisamborana ireo mpitrandraka ambara fa tsy ara-dalàna ireo. Tsy milefitra ny Fitondrana Malagasy ary hampihatra ny voalazan’ny fehezan-dalàna mifehy ny Faritra Arovana (COAP). Voarara ny fitrandrahana volamena, fanaovana arina, fihazana tsy ara-dalàna, fanapahana hazo antsokosoko… anatin’ny « noyau dur » amin’ny Faritra Arovana. Heloka eo anatrehan’ny lalàna izany ary iharan’ny sazy henjana izay manao azy, hoy hatrany ny Minisitera. Ny famerenana ireo toerana nitrandrahana (fanotorana ireo lavaka an-jatony maro) dia efa nangatahan’ny MEDD ary ho tanterahana farany izay haingana. Manoloana ny tsindry mihatra amin’ireo Faritra Arovana dia hentitra isika. Raha tsy misy ireo Faritra Arovana ireo dia ny rano hosotroina, ny fambolena, ny fiompiana, ny fandrindrana ny toetrandro no ho simba tanteraka. Na izany aza, tokony hojeren’ny Fanjakana akaiky ny famoronana asa sy fanatsarana ny asa fiharian’ny olona, mba hivelomany sy tsy hanaovany fitrandrahana tsy ara-dalàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.