Actualités

Betroka Nitokona ny mpitatitra, Kaominina maro nitoka-monina


  • Zoma 19 Jolay 2013

Nanao hetsika firaisankina ireo mpitatitra ao Betroka omaly alakamisy 18 jolay manoloana ny ambaran’izy ireo fa antsojay ataon’ny zandary. Tsy nisy niasa izy ireo, fa nitokona tao Betroka tampon-tanàna. Saika ireo fiarabe mampitohy an’i Betroka amin’ireo Kaominina manodidina, sy mpitondra mpivarotra mitety tsena ireto nitokona ireto.

Kaominina manodidina maromaro no nitoka-monina tampoka vokatr’io, indrindra ireo Kaominina misy tsena isak’alakamisy. Tato anatin’ny tapabolana izao dia nanao fisavana mba hanamarinana ny taratasin’ireo fiara mpitatitra ny zandary, nisesy ihany koa tao ho ao ny loza amoizana aina. Maro no hita fa tsy ara-dalàna tao anatin’izany, asa na amin’ny maha tetezamita ny vanim-potoana ka samy tsy misy te hanara-dalàna. Nanentana ireo mpitatitra mba hanavao ny taratasin’ny fiarany ny zandary, saingy noraisin’iretsy voalohany ho fanaovana antsojay izany ka dia io nitokona io izy ireo omaly. Misy loharanom-baovao milaza koa anefa fa misy mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ao ambadik’ity hetsiky ny mpitatitra ity. Nisy ihany mpandraharaha, teratany Karana, nikarakara ny taratasin’ny fiarany mba ho ara-dalàna, mba hahafahany manohy miasa, fa dia io indray no nihandronan’ny rihitra, tondroin’ireo mpitatitra namany ho mampirisika ny zandary hanao fisavana.

Nangonin’i Britto.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT