Hatairana ny an’ny mponina tao Betroka nahita andiana Arabo, folo lahy eo, tonga any an-toerana hatramin’ny nanombohan’ny volana ramadany teo.
Betsaka no mametra-panontaniana ny amin’ny antom-pisian’izy ireo any, Betroka izay iaraha-mahalala fa faritra mena amin’ny asan-dahalo, ary antony nametrahana tobin-jandary manokana natao hiady amin’ny dahalo vao notokanana iray volana lasa izay. Tonga hizahatany sa hitrandraka harena an-kibon’ny tany sa hitsirika tsena hivarotana ireto Arabo tonga any Betroka ireto sa anton-dia hafa mihintsy ? Fifanojoan-javatra fotsiny ihany koa ve anefa sa misy ifandraisany fa taloha kelin’ireo dia nisy teratany Tanzaniana roalahy tafiditra tampoka tao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala ao Tolaganaro. Tsy fantatra ny anton-diany, sady tsy misy taratasy fa efa mitontona vao samy gaga ny rehetra. Vao ny herinandro lasa iny indray dia nisy teratany Erytreana maromaro ihany koa tonga teto Antananarivo, tsy misy taratasy. Karana lahy mpanefoefo eto an-drenivohitra, efa namoahan’ny Fitsarana didy famonjana nefa tsy nandingana fonja, no re fa manelanelana amin’ny fikarakarana ny taratasin’izy ireo. Tsy resahina intsony ny amin’ireo vahiny entin’ny fiaramanidina isan-kerinandro avy any Torkia. Inona avokoa no ao ambadik’izany rehetra izany ? Maninona ihany koa no mangina tsy ahenoan-teny na fanazavana ireo tompon’andraiki-panjakana anontaniana ? Malaza ho mandray vahiny moa ny Malagasy, ka mety ho liana ny amin’izany ireto Arabo ireto, mitsapa ny hafanan’izany fiarahamonina Malagasy izany !
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.