Miakatra ny maripana ao Betroka. Olona efatra voasambotry ny Fokonolona, voarohirohy ho malaso mpangalatra omby tany Besakoa Manarena no nafahan’ny fitsarana, ny 25 febroary lasa teo.
Voasazy telo taona an-tranomaizana sy mandoa onitra 2 tapitrisa Ariary kosa, ny tompon’omby very, izay nahavoarohirohy azy efa-dahy. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nisehoana halatra omby nifanesisesy tany Besakoa Manarena. Taorian’ny famotorana nataon’ny Fokonolona dia olona efatra tamin’ireo sivy nahiahiana no voasambotra taorian’ny fanomezam-baovao avy tamina mpiandry omby.
Nivadika ny rasa
Saika hatolotra ny mpitandro filaminana ireo efa-dahy voasambotra, saingy nanao raharaham-pihavanana sy nifanaraka tamin’ny tompon’omby sy ny Fokonolona, satria olona eo an-tanàna ihany ary niaiky ny heloka vitany. Nivadika anefa ny rasa taty afara ka ny tompon’omby indray no nidoboka. Noho izany, mitaraina sy manao antso avo amin’ny fanjakana mahefa ny Fokonolona any an-toerana, mba hijery akaiky ny zava-misy, satria ny tahaka izao no anisan’ny mahatonga ny tsimatimanota any amin’ny faritra atsimo iny, ka ny very fananana sy maty havana indray no mizaka ny mafy tsy eran’ny ainy.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.