Actualités

Betioky Atsimo Tezitra ny olona, voafantsika ny biraon’ny Cisco


  • Talata 12 Martsa 2013


 Raikitra ny gidragidra any Betioky Atsimo. Noho ny hatezeram-bahoaka vokatry ny  fanalana amin’ny toerany ny sefo Cisco any Betioky Atsimo dia nofantsihan’olona efa ho an’arivony niaraka tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra avy nanao filaharambe nihodidina ny tanàna niaraka tamin’ny sorabaventy omaly naraina ny biraon’ny fari-piadidiam-pampianarana any an-toerana. «Asehonay ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka ny tsy fahafalianay amin’ny fanalana ny sefo Cisco-nay nahavita be noho ny antony ara-politika», hoy i Berthin sy Ludo, mpitarika ny hetsika, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Tsy nahafaly ny vahoaka izany ka tonga amin’izao famantsihana ny birao izao mba tsy ahafahan’ity olom-panjakana vaovao ity hiditra sy hiasa ao. Raha ny fahitana ny zava-nisy omaly tamin’ny fidinanay tany an-toerana dia nafana ny toe-draharaha ary vonona ny hisotro ny aleoko maty ny mpitokona. «Ray aman-dreny mitaky fampandrosoana an’i Betioky. Tsy miala ny sefo Cisco-nay», hoy ny antsoantson’ireo vahoaka sy ny hita mirenty eny amin’ny sorabaventy.

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT