Actualités

Betioky Atsimo “Olona nokaramaina no nanimba zavatra”, hoy i Sazalahy Tsianihy


  • Alarobia 13 Martsa 2013


 Manoloana ny zava-mitranga ka namantsihan’ny andian’olona ny biraon’ny Cisco tany Betioky Atsimo ny alatsinainy 11 martsa teo dia nilaza tsy nihambahamba ny CT Sazalahy Tsianihy, fa mpanolotsain’ny minisitry ny fampianarana teo aloha avy any Toliara, no mamboly korontana sy nitarika fanimban-javatra tao Betioky Atsimo. Olona avy any amin’ny faritra hafa toy ny avy any amin’ny fokontanin’Anketraka sy Ampasimandroa ireo nentina nanimba ny Lycée sy Ceg ary ny tranon’ny Faripiadidiam-pampianarana any Betioky ireo, hoy i Tsianihy. Nasaina nitondra harona sy sobika ireo olona ireo fa hoe haka vary sy vola amin’ny alalan’ny fanaovana asa tanamaro nefa dia zavatra hafa no nasaina notanterahin’izy ireo rehefa tonga tao Betioky ary dia nisy mpianatra roa naratra tamin’izany. Melohiko tanteraka ny toetra mamohehatra manimba fananam-bahoaka toy izao, hoy i Sazalahy Tsianihy. Miangavy ny raiamandreny ao Betioky ny tenako, hoy ity farany, hanamafy ny firaisankina sy fiaraha-mientana ao anatin’ny fifankatiavana hialana amin’ny vela-pandriky ny fahavalom-bahoaka.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT