Actualités

Betioky Atsimo Mandrahona hamantsika birao koa ny mpiasan’ny Kaominina


  • Alakamisy 14 Martsa 2013

Misy raha tsy milamina any Betioky Atsimo any ary hatahorana hampipoaka ny sarom-bilany izany.

 Ny alatsinainy teo dia nofantsihan’ny mponina ny biraon’ny Cisco any an-toerana noho ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fanalana amin’ny toerany ny sefo Cisco Martial Raony. Nampiaka-peo ihany koa ny mpiasa avy ao amin’ny Kaominina Betioky fa hitokona ary hampikatso tanteraka ny fihodinan-draharaham-panjakana raha tsy voaloa faran’izay haingana ny karaman’izy ireo valo volana tsy voaray.

Nambaran’ny «Garde caisse» fa «higrevy izahay mpiasa mijaly sy bokan-trosa mba hanaitra ny sain’ny tompon’andraikitra. Hofantsihanay toy ny nanaovan’ny vahoaka ny biraon’ny Cisco ihany koa ny biraon’ny Kaominina mba ho fantatry ny mpitondra fa mijaly sady tsy faly izahay». Nanontany ny PDS ny mpanao gazety saingy ny lefiny no afaka namaly kely ary nilaza fa «noho ny fahatarany sy tsy fahampian’ny fanampiana «subvention» no antony tsy nahaloavana ny karaman’ny mpiasa». Dia lasa lamaody any amin’ity Distrika ity izany ny famantsihana biraom-panjakana. Mampahatsiaro ny zava-nisy tany amin’ny distrikan’i Bekily 15 taona lasa ity tranga ao Betioky ity.

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT